Envoyer à un ami
Mon adresse e-mail :
Adresse email incorrect
Mon prénom et mon nom :
Remplir votre nom et prénom
L'adresse e-mail de mon ami(e) :
Adresse email incorrect
Commentaire pour mon ami(e) :
Mail envoyé avec succès.
Actualité Madagascar » Malagasy » Antananarivo
Antananarivo
Nifaninana tsikonina ny EPP
Nitorevaka tamin'ny tany nikarakara ny sakafo hifaninany amin'ny hetsika tsikonina omaly ireo mpianatra kilasy fahatelo sy fahaefatra tao amin'ny EPP Amboditsiry
Finaritra nifaninana nanao tsikonina ireo mpianatra amin'ny kilasy fahatelo sy fahefatra tamin'ireo EPP niisa 15 teto an-drenivohitra omaly.
Notante­rahana omaly, tamin'ireo EPP niisa 15 teto an-drenivohitra ilay fifaninana tsikonina ho an'ny ankizy, hetsika izay karakarain'ny kaominina Antananarivo renivohitra noho ny fanamarihana ny Iray volan'ny ankizy amin'ity taona ity. Nahafinaritra aoka izany ny nitazana ireo kilasy fahatelo sy fahefatra tamin'ireo EPP nandray anjara. Samy somebiseby nikarakara ny sakafony sy nifampizara andraikitra noho ilay fifaninana tsinkonina avokoa izy ireo. Ny sasany nikopaka afo, ny hafa nitetika sy nanasa ireo akora hahandroana, ny sasany nandray an-tanana ny fahandroana ny sakafo keliny mba hifaninana. Tao koa ny nanomana ireo fitaovana hihinanana.
Ireo ankizy ihany no niantoka ireo akora nampiasainy sy ny vilany ary ny fataperakely. « Riz cantonais izao no namboarinay satria izay no tsy nisy nanao. Efa masaka ny vary fa ny fangarony sisa no karakarainay. Ireo fitaovam-pihinana koa efa vonona
daholo », hoy Andrianiaina Maneva Mbolasoa izay nitarika ny ekipa « Voromahery » tao amin'ny EPP Amboditsiry. « Sakafo mora natao kanefa matsiro no nokarakarainay teo dia vary ilaofana amin'ny henabaolina saosy. Nasianay lasopy mba hampafana noho ny andro mangatsiaka, sy lasary karaoty mba hampazoto homana », hoy kosa Razafin­dranaivo Narindra Naly, nitarika ny ekipa « Pika ».

Dingana famaranana

« Ny fahaiza-manaony sy ny fomba fikarakarany ny sakafo ary ny fahavitany izany, miampy ny fahaizan'ireo ankizy ao anatin'ny tarika misy azy no itsaranay azy ireo amin'izany », hoy Rasoamalala Rosette, talen'ny EPP Amboditsiry.
Ankizy mpianatra valo hatramin'ny 12 taona miisa dimy isaky ny tarika no mandray anjara amin'ity fifaninanana tsikonina karakarain' ny kaominina Antananarivo ity. Teny amin'ny EPP ireo ankizy mpandray anjara no nifanitsana omaly ary izay mendrika ka tafakatra dia hiatrika avy hatrany ny dingana famaranana amin'ny 29 jona eny Mahamasina. Ny sampan-draharaha misahana ny raharaha sosialy eo anivon'ny kaominina Antananarivo no hiantoka ireo akora hatao sakafo mandritra io fotoana io fa tsy ireo ankizy hifaninana intsony. Amin'ny maha fifaninana ity hetsika ity dia hisy ny loka homena ireo ankizy mendrika amin'ny famaranana eny Mahamasina.

Volana Rakotoharimanana
Réagissez
L'Express se réserve de publier ou pas vos réactions.
3000 caractères restants
Déjà abonné
Adresse mail:
Mot de passe:
Pas encore inscrit sur le site
s'inscrire ici
  • [ N° 5255 - 22/06/2012 ]
    Fanabeazana - Mpampianatra tapaka fifanarahana
  • [ N° 5254 - 21/06/2012 ]
    Amboditsiry - Nahazo fotodrafitrasa manara-penitra
  • [ N° 5253 - 20/06/2012 ]
    Fahasalamana - Mahajamba ny tosidran’ny maso
  • [ N° 5252 - 19/06/2012 ]
    Tsena - Lafo be ny akoho amam-borona
  • [ N° 5250 - 16/06/2012 ]
    Mahamasina - Mpianatra miisa 500 niala voly
  • [ N° 5249 - 15/06/2012 ]
    Ankazobe sy Ambohidratrimo - Tandrenivohitra maro manakalo
  • [ N° 5248 - 14/06/2012 ]
    Sakafo - Voanjobory avadika ho lafarinina
À voir aussi dans L'Express de Madagascar aujourd'hui
Le kabary, une pratique imprévisible
Entre art et tradition, le kabary est une pratique héritée des temps anciens, depuis les Vazimba selon certains. Mais il se perpétue contre vents et marées, s'adaptant quelque peu à la modernité.
Le public malgache sous le charme de Carmen
Chapeau à l'équipe d'Angers-Nantes-Opéra et l'association Laka pour cette représentation de Carmen à Madagascar. Une prestation qui conjugue professionnalisme et passion.
Deuxième test-match pour les Makis
Les Makis joueront leur deuxième match-test cette après-midi au Malacam. L’entraîneur Berthin Rafalimanana veut évaluer leur jeu au plus juste.
NBM lance la première bière d'abbaye locale
Actualité Madagascar » Malagasy » Antananarivo
Nos autres Titres

Sortie de crise
Tout sur l'éléction 2013

 

Chaque semaine, un sujet spécifique sera traité avec plus de spécificité, en tirant sur les textes législatifs et règlementaires, des inter­views et des reportages.

Presse
Code de déontologie des publications de L'Express de Madagascar

 

Puisque la liberté de la presse découle de deux droits humains fondamentaux, la liberté d’expression et le droit à l’information, elle nous donne des droits. Droits que nous ne saurons séparer des devoirs et responsabilités inhérents à la profession du journaliste. Le respect des droits d’autrui, les valeurs démocratiques, l’ordre public et le bien-être général sont les seules limites que nous nous imposons. Le code de déontologie du Groupe L’Express de Madagascar que nous présentons aujourd’hui, à l’occasion de la Journée mondiale de la liberté de la presse, définit les grandes lignes des principes que nous nous efforçons de respecter dans l’exercice de notre métier.

A lire aussi
EMMO/Nat contre « Fahavalo »
La maîtrise du territoire commence certainement par la connaissance de sa géographie : il m’a fallu scruter la carte en ...
Tsy misy mpanera ao Ambohitsorohitra
Ho setrin'ny taratasin'ny mpamaky nivoaka teo amin'ny gazety ny 6 jona, pejy faha enina, mitondra ny lohateny hoe " Iza ilay mpanera ao Ambohitsorohitra", nosoratan'i Jean François Rakotobe, dia mitondra fanazavana sy mampiasa ny zony hamaly ny mpitantana ny fileovana Étoile Filante izay vokasiky lahatsoratra. Marihina fa nitatitra ny resadresaka nifanaovan'ny Malagasy any ivelany tamin'ny mpitantana ity tarika ity ny mpamaky.
Madaplus
Consultations