Envoyer à un ami
Mon adresse e-mail :
Adresse email incorrect
Mon prénom et mon nom :
Remplir votre nom et prénom
L'adresse e-mail de mon ami(e) :
Adresse email incorrect
Commentaire pour mon ami(e) :
Mail envoyé avec succès.
Itaosy
Nobahanan’ny zotra 133 ny làlana
Nibahan-dàlana noho ny fanararaotana nataon'ireo mpitandro ny filaminana, omaly, ireo mpitatitra teny Itaosy. (Photo : Hery Rakotondrazaka)
Nitraotra nanoloana ny fanararaotana ataon'ny mpitandro ny filaminana eny Itaosy ireo mpamily taksibe. Nobahanany ny làlana omaly mandrak’alina.
Naneho tsy fankasitrahana. Nitokona nibahan-dàlana tampoka teo amin'ny arabe, akaikin'ny tobin-dasantsy eny Ambonisoa-Itaosy, omaly tamin'ny 1 ora tolakandro, ireo taksibe mihazo an'Itaosy. Ny antsojay sy ny fanararaotam-pahefana ataon'ireo mpitandro ny filaminana eny an-toerana amin'ny ankapobeny, miampy ny fakàna taratasina fiara maherin'ny 15, omaly maraina, no voalazan'izy ireo ho fototry ny olona. Tapaka nandritra ny ora roa mahery vokatr'izany ny làlana, omaly.
« Diso tafahoatra loatra ny ataon'ireo mpitandro ny filaminana aminay. Tsy vitan'ny mila vaniny tsotr'izao man­tsy izy ireo fa mbola manararaotra maka volabe aminay ihany koa na mety na tsy mety ny ataonay », hoy Ralai­fanomezantsoa Félix, raha naneho ny alahelony.
« Na manao ny mety aza ianao dia mbola mahita zavatra ilàna vaniny aminao ihany ireo polisy. Aiza ve koa hatrany ambany seza sy ny entan'ireo mpandeha avy no hitan'izy ireo tsikilovina amin'ny jirony rehefa manakana anay amin'ny hariva izy ireo », hoy kosa Ratsitohaina Didier
« Ny tsy fanarahan-dalàna nataon'ireo mpitatitra ireo no antony nanasaziana azy. Tsy zakany anefa izany ka mitokona izy ireo . Efa hifampidinika miaraka amin'ny tompon' andraikitra momba izany izao izahay », hoy kosa ireo solontenan'ny mpitandro ny filaminana nijery ifotony ny olana teny an-toerana

Misy fetrany

« Tsy aterin'ny polisy any amin'ny birao tokony hakàna azy sy hanefana ny sazy ny taratasin'ny fiara fa hanaovan'izy ireo kolikoly ambadika », hoy kosa Razafindrabary Haingoniaina Salohy, filohan'ny zotra 133. « Raha maraina ireo polisy no mahita tsy fanarahan-dalàna ataona mpamily fiara iray ka maka ny taratasin'ny fiara, dia ny harivan'iny ihany izany no tokony aterina eny Tsaralalàna. Ny ampitso kosa ny tompona fiara dia efa afaka maka izany sy manefa ny saziny », raha ny fanamarihana nomen'ny kaomisera Ranaivoson Alexandre etsy Anosy.
Taorian'ny dinika nifanaovan'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny teny an-toerana dia naverina tamin'ireo mpamily voasakana ka voasazy ny taratasin'ny fiara nalaina. Mbola hitohy kosa ny dinika sy ny fandaminana eo amin'ireo mpitatitra sy ny tompon' andraikitra eny Itaosy. Tamin'ny 3 ora hariva vao niverina tamin'ny laoniny ny fifamoivozana teny Itaosy omaly.

Vahoaka mijaly
Na misy na tsy misy ny olana eo amin'ireo mpitatitra amin'ny zotra mihazo an'Itaosy ireo dia misedra olana sy mizaka ny tsy eran'ny ainy foana ireo mponina eny an-toerana. Manainga ny tompon'andraikitra voakasika mba hijery ifotony izany izy ireo. « Tsy tonga any amin'ny toerana fiantsonana farany izy ireo amin'ny hariva sy amin'ny maraina fa manary anay eny antenantenan-dalana. Ny tsy fanajana ny mpandeha manginy fotsiny», hoy Ramari-jaona Stéphanie, mpianatra.
Volana Rakotoharimanana
Réagissez
L'Express se réserve de publier ou pas vos réactions.
3000 caractères restants
Déjà abonné
Adresse mail:
Mot de passe:
Pas encore inscrit sur le site
s'inscrire ici
  • [ N° 5231 - 24/05/2012 ]
    Antananarivo - Mampiferin'aina ny tsipoapoaka
  • [ N° 5230 - 23/05/2012 ]
    Fambolena - Ratsy ny vokatra voasary niakatra
  • [ N° 5229 - 22/05/2012 ]
    Andravoahangy - Nesorina ireo mpivarotra tsy ara-dalàna nibahana arabe
  • [ N° 5227 - 19/05/2012 ]
    Ambodimita - Mpampanofa kojakojana fiara hotsaraina
  • [ N° 5226 - 18/05/2012 ]
    Andohamandry - Foto-drafitr'asa avy amin’ny kaominina
  • [ N° 5225 - 16/05/2012 ]
    ANTANANARIVO - Entina sy alaina sary ny fiara tsaraina
À voir aussi dans L'Express de Madagascar aujourd'hui
Démarche méditative de Vonjiniaina
Exprimer le silence, Vonjiniaina, artiste plasticienne tente la démarche avec « Les murs du silence » à l'Is'art Galerie Analakely. Une exposition à méditer.
Grande réforme dans l'aviation
Des mesures de correction sont apportées dans la gestion de l'aviation civile malgache pour sa relance.
Vol d’arme d’un ex-militaire français
Agression à domicile d’un ex-militaire français. La victime indique qu’un revolver a été dérobé avec près de 50 000 euros en devises.
Des cas de malnutrition détectés
Les communes Anjeva Gara et Ambanitsena enregistrent des cas de malnu­trition. Le projet Santénet2, financé par l'USAID, tente de relever ce défi.
Nos autres Titres

Sortie de crise
Tout sur l'éléction 2013

 

Chaque semaine, un sujet spécifique sera traité avec plus de spécificité, en tirant sur les textes législatifs et règlementaires, des inter­views et des reportages.

Presse
Code de déontologie des publications de L'Express de Madagascar

 

Puisque la liberté de la presse découle de deux droits humains fondamentaux, la liberté d’expression et le droit à l’information, elle nous donne des droits. Droits que nous ne saurons séparer des devoirs et responsabilités inhérents à la profession du journaliste. Le respect des droits d’autrui, les valeurs démocratiques, l’ordre public et le bien-être général sont les seules limites que nous nous imposons. Le code de déontologie du Groupe L’Express de Madagascar que nous présentons aujourd’hui, à l’occasion de la Journée mondiale de la liberté de la presse, définit les grandes lignes des principes que nous nous efforçons de respecter dans l’exercice de notre métier.

A lire aussi
Ny teny, teny ihany
Zo fototra ny fahafahana miteny. Zon’olombelona ny fahafahana maneho hevitra. Tsy omen-tsiny ireo rehetra tsy hanaiky ka hiady hatramin’ny farany ...
Sauvons Tiko !
Il y avait la génération sacrifiée. Il y eut la génération Tiko. Dans les années noires du socialisme, les Magasins ...
Madagascar sous le système monétaire français
Pour clore la série d’articles sur l’histoire des monnaies dans la Grande île, à travers un document publié par Juliette ...
Madaplus
Consultations