Envoyer à un ami
Mon adresse e-mail :
Adresse email incorrect
Mon prénom et mon nom :
Remplir votre nom et prénom
L'adresse e-mail de mon ami(e) :
Adresse email incorrect
Commentaire pour mon ami(e) :
Mail envoyé avec succès.
Actualité Madagascar » Malagasy » Zotra an-drenivohitra
Zotra an-drenivohitra
Hiato ka miandry dinika ny fitaterana
Andriaherivelo Moïse sy ireo mpiara-miasa aminy nilaza fampiatoana ny asam-pitaterana an-drenivohitra teny Ambodivona omaly (Sary Mamy Mael)
Hampiato asam-pitaterana ireo mpitatitra amin'ny zotra eto an-drenivohitra raha tsy misy ny fifampidinihina iarahan'izy ireo amin'ny fanjakana sy ny mpanjifa.
Mahatsiaro tena mijaly manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika sy ny fanararaotam-pahefana ataon'ireo mpitandro ny filaminana eny an-dalana ireo mpitatitra amin'ny zotra an-drenivohitra. Miaina faty antoka manoloana izany izy ireo.
« Hanatanteraka fampiatoana ny asam-pitaterana an-drenivohitra manontolo izahay. Hatomboka amin'ny fe-potoana 24 ora ho fanairana ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny izany, izay angatahana mba hanajanona ny vidin-tsolika amin'ny toerany ankehitriny (2 680 ariary) » , raha ny nambaran'Andriaherivelo Moïse, filohan'ny vondron'ny kaoperativam-pitaterana miasa an-drenivohitra, manoloana izany.
« Tsy ho zakan'ny sarambabem-bahoaka ny fampiakaranay saran-dalana izay tsy niova hatramin'ny taona 2004 ka mbola mijanona mandraka
ankehitriny. Noho izany, mba ho fitsinjovana ny vahoaka dia miantso dinika miaraka amin'ny fanjakana sy ny mpitandro ny filaminana ary ny mpanjifa ao anatin'ny fotoana fohy izahay mba tsy hitaran'ny toe-draharaha », hoy hatrany ity tompon'andraikitra ity.
Tsy manome tsiny
Manoloana izany olan'ny mpitatitra sy ny fanapahan-keviny izany dia tsy manome tsiny azy ireo mpanjifa sy ny mpiaro ny zony.
« Saran-dalana tokana ihany no takianay mba hapetrak'ireo mpitatitra. Manoloana ny olana mianjady sy iainan'izy ireo anefa dia tsy manome tsiny azy ireo izahay. Angatahanay amin'ny fanjakana manoloana izany ny hanomezana
azy ireo fanampiana na subvention sy hanaiky izany fangatahana dinika an-databatra boribory izany mba hijerena vahaolana maharitra ho an'ny rehetra. Na izany na tsy izany aza anefa dia mangataka fanatsarana ny fomba fiasa eo amin'ireo mpitatitra izahay mpanjifa », hoy Rakotorova Rabetsara Lita, filohan'ny fivondronam-be nasionaly miaro ny zon'ny mpanjifa.
« Mila mandray andraikitra momba izany avy hatrany ny fanjakana satria hijaly izahay vahoaka. Ny vidim-piainana efa miakatra dia mbola hiampy olana ara-pitaterana indray ve », hoy kosa Ratsiman­dresy Fulgence, raim-pianakaviana monina etsy Andravoahangy, manoloana izany rehetra izany.

Volana Rakotoharimanana
Réagissez
L'Express se réserve de publier ou pas vos réactions.
3000 caractères restants
Déjà abonné
Adresse mail:
Mot de passe:
Pas encore inscrit sur le site
s'inscrire ici
  • [ N° 5187 - 30/03/2012 ]
    Fanabeazana - EPP roa amboarin'ny kaominina
  • [ N° 5186 - 28/03/2012 ]
    Namontana - Olona roa voan'ny diabeta
  • [ N° 5185 - 27/03/2012 ]
    Tsimandresy Bernard - Nibaiko alika an-taonany maro
  • [ N° 5183 - 24/03/2012 ]
    Faritra Vakinankaratra - Hahazo trano famakiam-boky maoderina
  • [ N° 5182 - 23/03/2012 ]
    Antsirabe - Lehilahy 44 taona no matin'ny tetanosy
  • [ N° 5181 - 22/03/2012 ]
    Ampandrana - Nanakan-dàlana ny fokonolona
  • [ N° 5180 - 21/03/2012 ]
    Fanabeazana - Tsy ho voaelingelina ny CEPE sy BEPC
À voir aussi dans L'Express de Madagascar aujourd'hui
Choc mortel d’une moto
Lancée à toute vitesse, une moto a terminé sa course contre un talus. Le bilan fait état d'un mort et un blessé.
L'OMC district intervient
Rebondissement de la grève des agents municipaux. Le chef décide l'ouverture du service de l'état civil.
Démission du président mauricien
Sir Anerood Jugnauth a officialisé sa démission, hier, lors d’un point de presse à Réduit. Il a promis un retour dans la politique active.
L’inéligibilité de Rajoelina et de Ravalomanana réclamée
L’Espace de concertation politique tente de revenir à la charge. Il demande la non-candidature des « principaux protagonistes » de la crise.
Actualité Madagascar » Malagasy » Zotra an-drenivohitra
Nos autres Titres

Sortie de crise
Tout sur l'éléction 2013

 

Chaque semaine, un sujet spécifique sera traité avec plus de spécificité, en tirant sur les textes législatifs et règlementaires, des inter­views et des reportages.

Presse
Code de déontologie des publications de L'Express de Madagascar

 

Puisque la liberté de la presse découle de deux droits humains fondamentaux, la liberté d’expression et le droit à l’information, elle nous donne des droits. Droits que nous ne saurons séparer des devoirs et responsabilités inhérents à la profession du journaliste. Le respect des droits d’autrui, les valeurs démocratiques, l’ordre public et le bien-être général sont les seules limites que nous nous imposons. Le code de déontologie du Groupe L’Express de Madagascar que nous présentons aujourd’hui, à l’occasion de la Journée mondiale de la liberté de la presse, définit les grandes lignes des principes que nous nous efforçons de respecter dans l’exercice de notre métier.

A lire aussi
Avril 1974, un mois riche en évènements
Comme les mois précédents, avril 1974 est très fertile en actualités. Signalons précisément la création de l'Ordre des ...
Eco-citoyenneté
Madagascar participe, depuis plusieurs années maintenant, à la manifestation Une Heure Pour La Terre. Un mouvement qui se veut éco-citoyen, ...
Idées d'un urbain idéal
Quatre jours, en gros une petite semaine, auront été impartis aux urbanistes Peter Mullan, Carles Blasco i Bayot et Gilles ...
Madaplus
Consultations